ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Hisy ny fizahana maso

Hotanterahina rahampitso ny hetsika fizahana maso « Mamiratra » any Ambohimanga. Ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana amin’izany no ho tonga hizaha maso amin’io.

« Antsoina ny rehetra liana amin’izany manodidina an’Ambohimanga. Efa miezaka manatona antsika ny mpitsabo main’izao mba hananantsika fahasalamana tsara indrindra eo amin’ny jery » hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana Manohisoa, isan’ireo mpikarakara ny hetsika. « Hetsika andiany faharoa ity atao ity. Ao amin’ny EPP Ambohitrandriamanjaka no atao ilay fitiliana ho an’ity hetsika iray ity. Tena betsaka ny marary maso amin’izao noho ny fivoaran’ny teknolojia. Mila fitsaboana izy ireo fa tsy andrasana hihitatra » hoy i Henri, mpitsabo.

Isan’ny taova iray saro-pady tokoa ny maso. Mila fanaraha-maso matetika izy sao hampidi-doza.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire