ActualitésTsidika

Alasora : Mpamaky trano nitolo-batana fa tsy afa-nandositra intsony

Mpamaky trano nitondra antsy lava lela no nifannejehan’ny fokonolona tao Ankadinitavimena Alasora ny 29 aprily tokony ho tamin’ny 11 ora teo. Nisaringotra tamin’ny lobolobo matsilotsilo ity mpangalatra ka tsy afa-nandositra intsony.

« Rehefa tsy afa-nandositra intsony izy dia nitolo-tena. Naterina avy hatrany tany amin’ny mpitandro filaminana; Ary efa eo am-pelatanan’izy ireo ny raharaha » hoy i Vonjy, mponina ao Ankadinitavimena. « Tena mety mihitsy ny nataon’ny Fokonolona tsy nampiatra ny fitsaram-bahoaka. Ilaina ny fiaraha-miasa eo ami’nny vahoaka sy ny mpitandro filaminana mba hamongorana ny ratsy eto amin’ny tany sy ny firenena » hoy ny mpitandro filaminana ao Alasora.

Samy mandray manatanteraka ny asany ny rehetra dia milamina ny tanàna. Melohan’ny lalàna mantsy ary tsy azo ekena ny fitsaram-bahoaka. Tsara raha asaina manao ny asany ny mpitandro filaminana rehefa tratra ny mpangalatra.

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire