RN 44 : Olona telo no naratra mafy vokatrin’ny lozam-pifamoivoizana
28 Aprily, 0800. Fiara iray no tratran’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny làlam-pirenena faha 44, Anadranokobaka ny26 aprily teo. Hisatra tapaka no nahatonga ny loza raha ny fantatra. Nivarina tany anaty hantsana kosa ilay fiara ary nivadibadika. Olona 7 nefa no tao anatin’izany ka ny telo no naratra mafy, ny efatra kosa avotra soamantsara. Efa misitraka fitsaboana moa ireo olona ireo amizao fotoana.
