CAN 2023 : Ao amin’ny vondrona E no misy an’i Madagasikara
Nivoaka ny vokatrin’ny antsapak’ireo vondrona handray anjara amin’ny fifanitsanana CAN 2023 andiany faha 33. Ao anatin’ny vondrona E no misy an’i Madagasikara, Ghana, Angola ary Centrafrique no miaraka aminy ao antin’izany
Ho an’ny fandaharam-potoana kosa dia 30 mey hatramin’ny 14 jona 2022 izao no andro 1 sy 2, 19 hatramin’ny 27 septambra 2022 ny andro 3 sy 4 ary ny 20 hatramin’ny 28 martsa 2023 ny andro 5 sy 6. Ny ekipa 2 voalohany isam-bondrona mandritra ny fifanitsanana no hiatrika ny lalao CAN izay hatao any Côte d’Ivoire.
Hasina Rasamimanana
