Belgique : Ankizy 72 tratran’ny fanam-poizinana ara-tsakafo noho ny «chocolat Kinder»
Nampody vokatra an-jatony taonina namboarina tao Belgique ny vondrona Ferrero rehefa nahare fa nanampoizina olona maro ny vokatra Kinder, toy ny « Kinder Surprise », « Schoko-Bons », « Kinder Mini Eggs », « Kinder Happy Moments » ary «Kinder Mix».Ankizy 72 no fantatra fa tratran’ny « salmonellose » ary tao France ny 15 tamin’ireo. Zaza latsaky ny 5 taona no tena tratran’io fanam-poizinana ara-tsakafo io hoy tale jeneralin’ny fahasalamana tao an-toerana. Nanazava izy fa zaza valo tamin’ireo 15 no tsy maintsy nijanonana tao amin’ny hopitaly andro vitsivitsy.Soritr’aretin’ny « salmonellose » ny fiakaran’ny afanana, ny fandoavana ary ny fivalanana, arahina aretin-kibo ihany koa izy. Ny sakafo sy ny rano no tena mitarika azy ary amin’ny ankapobeny dia aretina tsy mahafaty izy io.
