Soavinandriana : Taolampaty tratra tao amin’ny tokantrano iray.
Tokantrano iray tao Antranoroa, Distrikan’ i Soavinandriana, no nahatratrarana taolam-paty tapa-gony ka olona dimy no nosamborina nandritra izany. Ny vadin’ilay tompon’antoka tamin’ity afera ity ihany no nitory azy ireo tany amin’ny polisim-pirenena na dia efa nahazo fandrahonana tany amin’ny vadiny aza. Tsy ela dia tonga tany amin’ny tranon’izy ireo ny polisy. Hita nandritra ny fisavana ny taolan-dava 34 sy taolam-pohy 17. Nosamborina avy hatrany i Rakotomanana Alfred izay tompon’ireo taolana ireo, niaraka tamin’ny zanany lahy sy ny zanak’anabaviny ary olona roa hafa. Nampiakarina fampanoavana avy hatrany tao Miarinarivo ity raharaha ity ny talata 02 febroary.
Nicole Rafalimananjara
