Ilaina ny fanatsarana ny Analamanga Parc
Maro ny toerana azo ialana voly manerana ny faritra Antananarivo. Natao indrindra izy ireny hakana fahafinaretana. Tsy vitsy ihany koa ny mpizahatany tonga amin’ireny toerana ireny. Ilaina ny fanatsarana azy ireny mba hampiditra loharanom-bola sy hahatonga ny mpizaha tany ho liana bebe kokoa amin’izy ireny. Anisan’izany ity toerana iray etsy amin’ny lalam-pirenena faha fito ity (7). Nanao antso ny governoran’ny Faritra Analamanga mba hitady mpiara-miasa na “bungalows”. Tsy adino ihany koa ny toerana ho an’ny ankizy. Mbola eo an-dalam-panavaozana ireo foto-drafitr’asa ho fialana voly ireo avokoa ny mpiandraikitra akaiky afaka hitantana ity toerana fialana voly ity. Faritra izay anisan’ny mampilamin-tsaina tokoa noho ny fialany kely ny renivohitra i “Analamanga Parc”. Mirefy hatrany amin’ny 14 ha izy ity. Ahitana toerana filomanosana sy fanaovana fanatanjahatena moa any. Misy ihany koa ny trano fandraisam-bahiny.
Fanilo Rarivoarilala
