Social

Toamasina : Arirariran’ny tribonaly ny fianakavian’ilay tantsambo may notifirin’ny Zandary.

Mitaraina ny fianakavian’i Massou Ernest, ilay tantsambo maty voatifitry zandary fa mitovy endrika amina jiolahy iray tadiavina hoy izy ireo. Ny alin’ny 07 janoary teo no nitrangan’ny fitifirana io lehilahy io, tao Bickaville. Efa indroa izay no nahemotra ny fitsarana ity raharaha ity. Nahemotra ny 1 Febroary izany raha tokony natao ny 28 Janoary lasa teo. Mbola tsy raikitra ihany koa ny tamin’ny volohan’ny volana febroary teo raha ny fantatra. Tsy mahazo valiny mahafa-po ny fianakaviana raha manontany ny Zandary sy ny fitsarana ary hatahoran’izy ireo ho very ny marina mikasika ny nahafaty ny havany ity. Manaitra ny fahefana ambony izy ireo noho izany fa sady tsy nosamborina no tsy natao famotorana ilay nahafaty ny havany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire