SocialTatitra

France : Nisehoana fihotsahan-tany tao Nice, tsy nisy ny aina nafoy saingy voatery nafindra monina ireo mponina

Nisehoana fihotsahan-tany tao Nice ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra izany saingy maro kosa ireo foto-drafitr’asa simba tao anatin’izany. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny tanàna, manodidina ny 500m3 ny tany nihotsaka tao Alpes-Maritimes. trano maro sy fiara no lasibatra.

Nifatratra tamin’ireo tranon’ny orinasa momba ny fitaterana, izay niteraka fahasimbana tamin’ny foto-drafitr’asa sy fiara teo amin’ny manodidina izany. Fiara vaventy sy fiara kely tsotra miisa efatra no tototry ny tany. Ankoatra izay, nisy trano ihany koa fonenan’ny olona no nandalovan’ny fihotsahana ka voatery nafindra monina ireo olona tao anatiny. Ny orana nisesy sy ny fiovaovan’ny toetr’andro no mety nahatonga ny fihotsahana raha ny voalaza.

Laisser un commentaire