Dépêches

Ambatondrazaka : Mihitatra ny lasibatry ny ambalavelona

04 Aprily, 09h00. Efa hatramin’ny volana martsa teo no nirongatra ny ambalavelona tao Andilanatoby, distrikan’ Ambatondrazaka. An-jatony mahery ireo olona tratran’izany ary raha zazavavy ihany no sedrany teo aloha dia efa mihitatra amin’ny zatovolahy sy ny renim-pianakaviana indray izany.

Anisan’ny nitsabo ireo olona tratran’ny aretina ara-panahy ireo kosa ny tompon’andraikitra tao amin’ny FJKM Ziona Andilanatoby sy ny mpitsabo ara-pomba Malagasy tao amin ‘ny kianjan’Andilanatoby.

Laisser un commentaire