Fanabeazana : Notokanana ireo foto-drafitr’asa vaovao eny amin’ny EPP Manakambahiny sy Ankadinandriana
Tontosa ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa nohavaozina sy vao naorina vaovao teny amin’ny EPP Manakambahiny sy Ankadinandriana. Izany dia noho ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny « Fondation VISEO » ary ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
« Ny mba hananan’ireo ankizy mpianatra tontolo tsara hianaran’izy ireo no tanjona amin’izao. Mazoto mianatra mantsy ny ankizy rehefa tsara ny manodidina azy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. « Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny Veliranon’Iarivo ny fanatsarana ny sehatry ny fampianarana. Mbola maro ireo EPP hisitraka izany » hoy ny ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriatsitohaina Naina. Nisy ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka tamin’izao tetik’asa izao dia ny orinasa « Batimax » sy ny « Groupe Andriantsitohaina ».
Sehatra mila fampiroboroboana tokoa ny fampianarana mba ho azo antoka ny fandrosoan’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
