ActualitésTsidika

Fanaovan-gazety : Mifarana ny fandraisana ireo antotan-taratasy fakana karatra maha matihanina

Mifarana ny 31 martsa ny fandraisana ireo antontan-taratasy fangatahana maha matihanina ho mpanao gazety ao amin’ny OJM. Efa betsaka ireo mpanao gazety nisitraka izany amin’izao.

« Efa am-polony ny taratasy voaray ho amin’ny fangatahana karatra maha matihanina manerana ny nosy. Betsaka ny zo sitrahan’ireo mpanao gazety mahazo izany. Azo atao tsara ny manatona anay ety Ambohidahy raha mila fanazavana misimisy » hoy ny avy ao amin’ny Holafitry ny mpanao gazety. « Liana tanteraka amin’ity tolotra ity ny tenako na dia mbola vao haingana aza no nanaovana ny asa. Ho entina hanatsarana hatrany ny asa masina ny fidirana amin’izany. Hafa kokoa ny matihanina satria manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny asa fanaovan-gazet »” hoy i Toky, mpanao gazety.

Ny mpanao gazety rehetra manerana ny nosy no antsoina amin’ity fanaovana karatra maha matihanina ity. Tsara tokoa ny manana ity karatra ity mba ho tena matihanina ny mpanao gazety tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire