MESupReS : Hanomboka ny fizarana ny vatsim-pianarana
23 Martsa, 09h00. Tokony hanomboka ny 25 martsa izao ny fizarana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo raha ny volazan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Hanomboka ny 26 martsa kosa izany ho an’ny oniversite an’i Mahajanga, ny 6 aprily ho an’ny oniversiten’i Toliara sy Toamasina ary ny 11 aprily ho an’ny oniversite an’i Fianarantsoa. Efa nanomboka ny talata teo no ny fizarana karatra tao Mahajanga, Toamasina, Antsiranana ary efa natomboka ihany koa izany ho an’i Fianarantsoa.
