Fandriam-pahalemana: Sarona ny jiolahy mpampitondra faisana ny mponina ao Ambohipo sy Androndra
21 Martsa, 10h58. Nisambotra ny jiolahy iray iray mpanao fanafihana mitam-piadiana miaro herisetra ny Polisy. Tifitra basy vita gasy avy hatrany no nitsena azy ireo. Tsy maintsy nitifitra ny Polisy ka lavo ilay jiolahy. Mialoha an’io dia efa tratran’ny Polisy ireo namany miisa 06 niaraka tamin’ny basim-borona iray sy basy poleta iray. Ireto farany no nanoro ny toerana misy azy ka niafara tamin’izao fahafatesany izao. Mampitondra faisana ny faritra Ambohipo sy Androndra ireto andian-jiolahy ireto ary dia izao ravan’ny Polisy izao.
