ActualitésTsidika

Avaradrano : Nandray anjara tamin’ny andron’ny vehivavy eto Analamanga tany Antanetibe Mahazaza

Nandray anjara tamin’ny hetsika rezionaly nankalazana ny andron’ny vehivavy ny Distrikan’Avaradrano. Tany Antanetibe Mahazaza no nanatanterahana izany andro izany ny 15 Martsa 2022 lasa teo.

« Hetsika maro no nankalazana ny fetin’ny vehivavy teto Analamanga. Tao ny diabe, ny varotra fampiratiana, ny baolina kitram-behivavy, ny vako-drazana sy ny maro hafa. Isaorana ny kaominina Antanetibe Mahazaza nandray ny hetsika izay Kaominina tena mandroso tokoa ary fata-daza amin’ny famokarana atody » hoy ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga. « Nahatonga solontenam-behivavy maro taty Antanetibe Mahazaza ny Disitrikan’Avaradrano. Tsy mitsanga-menatra ny Distrika. Isaorana ianareo vehivavy manandratra hatrany an’Avaradrano » hoy ny avy ao amin’ny Disitrikan’Avaradrano.

Olom-panjakana maro avy eto Analamanga no nanotrona ity fety fankalazana nny andron’ny vehivavy ity. Hafaliana no nitsenan’ireo vehivavy teto Analamanga izany fankalazana izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire