Alasora : Miezaka mitady vahaolana amin’ny fitaterana ny kaominina
Nijery ifotony sy nanara-maso ireo fitaterana mankany Alasora, Zotra I sy F, ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Nisy ny fandaminana napetraka ary teo koa ny sazy ho an’ireo tsy nanara-dalàna.
« Heno, hita ary tsapa ny tsy fahatomombanana misy amin’ny fitaterana eto amintsika. Miezaka izahay mitady ny vahaolana miaraka amin’ny ATT » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Vonjy tavanandro ihany aloha izao atao izao mandrampahitana vahaolana maharitra. Hisy ny fihaonana mivantana ataonay amin’ny mponina hijerena vahaolana ho amin’ny fitaterana ary hohenoina ny hevitry ny mponina » hoy ny ben’ny tanàna, Randriantsoa Jimmy.
Mila ho isan’andro tokoa ny fitarainana voaray amin’ny mponina ao Alasora mikasika ireo fiara mpitatitra ao. Eo ny fanariana mpandeha amin’ny andro hariva sy ny tsy fanajana asehon’ireo mpitatitra sy ny mpanampy azy. Mifameno anefa ny roa tonta. Raha tsy misy ny mpandeha, inona no maha mpitatitra ny mpitatitra ?
Nicole Rafalimananjara
