ActualitésTsidika

Anôsy: Mbola andrasana hatrany ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo trondro maty

Mitohy ny fikarohana ny marina mahakasika ny nahafatesan’ireo trondro tao Emanakana sy ny fanariana rano ataon’ny orinasa QMM ao Tolagnaro. Ho ambara amin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fakana singa tamin’ireo trondro maty sy ny rano ary ny farihy izay voakasik’izany. “Efa nandray nadraikitra ny fanjakana. Efa nijery ifotony mihitsy nahitana izay zava-nisy marina. Manome toky izahay fa hijery vahaolana maharitra tsy hisian’ny tranga toy izao intsony. Mangataka ny fitoniantsika hatrany ihany koa eo am-piandrasana ny valin’izao raharaha izao” hoy ny Minisitry ny rano, fanadiovana ary ny fidiovana, Rakotondrazaka Ladislas Adrien. « Naato aloha ny fisotroana sy ny fampiasana io rano io. Nomena rano fisotro madio amin’ny « citerne »ny QMM ary hanonitra izay voakasika ity tranga ity. Andraikitra tsy maintsy ataony rahateo izany » hoy Governora ao amin’ny faritra Anôsy. Vahoaka maro no misitraka tombontsoa amin’ity rano ity. Voatery nahato tanteraka aloha ny fampiasana ny farihy mba hisorohana ny loza mandra-pahazo ny valin’ny fitiliana.

Laisser un commentaire