ActualitésTsidika

Atsimo Andrefana : Nahazo fanampiana ireo EPP 15, tafiditra amin’izany ny sekoly ho an’ny Jamba ao Toliara

Sekolim-panjakana ambaratonga fototra miisa 15 ao anatin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Atsimo Andrefana no nahazo fitaovana ho entina manatsara ny kalitaom-pampianarana. Nisitraka ity fanampiana ity ihany koa ny sekoly ho an’ny jamba ao Toliara (Sejafito).

« Isaorana ireo mpanohana ny fanabeazana sy nanolotra ireto fitaovana hanampiana ny fampianarana ireto. Isaorana ny Fiangonanan Loterianina Malagasy sy ny Cristofell Bliden Mission (CBM) nanolotra ireo fitaovana ho an’ny jamba ireto » hoy ny tompon’andraiki-pampianarana ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. « Ny kely vita no natao. Ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiakarana ny lentan’ny fanabeazana eto amintsika. Izay indrindra no anton’izao fanampiana izao » hoy ny avy ao amin’ny CBM. Nisitraka ity fanampiana ity ny tao amin’ny Distrika Sakaraha, Betioky Atsimo, Toliara I sy Toliara II.

Miezaka hatrany makany amin’ny fandrosoana isika. Ilaina hatrany ny fifanohanana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire