ActualitésTsidika

Ilafy : Fetin’ny mpanazava eto Madagasikara 

Hotontosaina ny 12 martsa ho avy izao ny fety fankalazana ny 80 taona sy ho fanamarihana ny fetin’ny vehivavy ho an’ireo mpikambana mpanazava eto Madagasikara. Hisy ny trano heva isan-karazany ho hita eny Ilafy, izay ahitana ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ireo Mpanazava eto Madagasikara.

« Azon’ny rehetra atrehina io fety fankalazana ny faha 80 taona ny mpanazava eto Madagasikara io. Afaka mandray anjara amin’ny trano heva ihany koa ireo izay manana fahaiza-manao azo aseho amin’ny mpitsidika » hoy ny filohan’ny mpanazava eto Madagasikara. Andrianarison Miora. « Tena manampy betsaka indrindra ny sehatra fanabeazan’ny tanora ny fisian’ny Mpanazava, na ny skoto rehetra mihitsy. Ampianarina mitia ny tontolo misy azy izy ireo » hoy i Nadia, tanora monina eny Ankadikely Ilafy.

Azon’ny rehetra atao ny mitsidika ity lanonan’ny mpanazava ity. Ho hita mandritra io ireo hetsika sy asa mampiavaka izany mpanazava izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire