Antsohihy: Tovolahy 22 taona hita faty
04 Martsa, 08h30. Tovolahy 22 taona ‚ mpianatra taona faha-02 tao amin’ny Lycée Technique Antsohihy no fantatra fa nodimandry ny alatsinaina 28 Febroary teo. Nanjono tao Antafiamadamo ‚ fokontany Ambalakida Antsohihy izy sy ny anabaviny ‚ ny tolakandro ny alahady 27 Febroary teo ary nilomano niampita tao amin’ny Port vaovao ny arivan’iny. Niakatra nefa ny rano ka natelin’ny rano ilay tovolahy ary tsy hita ny andron’io na efa nanao fikarohana aza ny fokonolona sy ny manampahefana . Ny arivan’ny alatsinainy 28 Febroary 2022 izy vao hita natsikafon’ny rano.Écrire à Team TSIDIKA
