ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Eo Ilafy indray ny Tsena Mora

Mitohy hatrany ny fanantanterahana ny Tsena Mora ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hisitraka izany indray ny Fokon tany Ilafy androany 24 febroary manomboka amin’ny 8 ora latsaka fahefany hatramin’ny folo ora latsaka folo.

« Miara-miezaka ho amin’ny Fampandrosona ao anaty Fahasamihafàna » hoy ny teny filamatry ny kaominina. « Misy hatrany ny fandaminana apetraka eny an-toerana. Tsara raha manaraka ny lamina ny rehetra indrindra ampanajana hatrany ireo hamehana ara-pahasalamana » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. Ho arahin’ny Ministeran’ny varotra maso hatrany ny fotoanan’ny Tsena mora.

Miroborobo tokoa ny tsena mora ao Ankadikely Ilafy raha mitaha ny kaominina hafa eto Avaradrano. Saika efa nisitraka ity tetik’asa hanampiana ny andavanandrom-piainanan’ny olona ity ny Fokontany maro ao an-toerana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire