ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nampanatena sidina manodidina ny tany amin’ity taona ity i Elon Musk

Nitondra ny fivoaran’ny ara-teknikan’ilay sambondanitra lehibe « Starship » ny lehiben’ny SpaceX, Elon Musk. Nanazava izy fa hisidina an’habakabaka voalohany amin’ity taona ity io « Straship » io saingy mbola tsy voafaritra ny daty hanatanterahana izany. Fantatra kosa fa efa manamboatra « tour de lancement » ho an’ny « Starship » ao Cap Canaveral ao Floride ny SpaceX.Ao Texas no misy ny foiben’ny orinasa mamolavola io sambondanitra lehibe io, antsoina hoe « Starbase ». Marihina fa manana lanja manokana ny « Starship » hatramin’ny nanendren’ny Nasa azy hitondra ireo « astronaute » manaraka eny amin’ny volana.Mikolo mainty tanteraka ny « Starship », mipetraka eo ambony « propulseur » ranombolafotsy izy sary antsoina hoe « Super Heavy » ny rihana voalohany. Mirefy 120 metatra izy, ary 9 metatra ny savaivo, mahazaka entana 100 taonina ihany koa.

Laisser un commentaire