Ambohimanambola : Mila mitandrina rehefa mitondra fiara
Mila mitandrina mandrakariva isika rehefa mamily fiarakodia. Tsara raha hamafisina sy hamarinina hatrany ny fiara alohan’ny andehanana. Mpandevina avy any Ankadinandriana izao no tratran’ny lozam-pifamoivoizana teo Ambohimanambola.
« Nifandona tamin’ny fiara hafa avy any Antananarivo ity fiara mpitondra mpandevina ity. Nisy ny naratra nandritra izany, izay efa nahazo fitsaboana » hoy i Vola, mponina eny Ambohimanambola. « Tsara raha tsy mandray zava-pisotro mahamamo ny mpamily. Tadidio fa miantoka ain’olona maro isika rehefa mitondra fiara » hoy i Feno, mpamily fiara. « Tsy natao hampitahotra ny loza tahaka izao. Azo hisintomana lesona foana hanatsarana ny hoavy rehetra. Efa hita ny lesoka ary miezaka miala amin’iny » hoy i Jean Claude, mpampianatra monina ao Ambohimanambola.
Hamafisina hatrany fa ilaina ny fitandremana rehefa hitondra fiara. Ny fahaizana sy fanajana ireo lalàn’ny fifamoivoizana no tena antoka voalohany ialàna amin’ny loza.
Nicole Rafalimananjara
