ActualitésTatitra

France : Nihaiky heloka i Yannick Agnel

Nanaiky ny fiampangana azy ilay mpisehatra teo amin’ny taranja lomano teo aloha Yannick Agnel hoy ny mpanoa lalàn’i Mulhouse, Edwige Roux-Morizot. Raha tsiahivina dia voarohirohy tamin’ny fanaovana herisetra tamina zaza tsy ampy taona ny tenany ny 11 desambra teo.Nanaiky izy ny 13 desambra teo fa nanery tovovavy 13 taona niray taminy tamin’ny taona 2021, raha 24 taona izy tamin’izany. Nilaza kosa nefa izy fa tsy nihevitra tamin’izany fa nataony an-terisetra io tovovavy io fa nanaiky.

Laisser un commentaire