Baolina Kitra : Hiara-hilalao amin’i Messi i Mathias Randriamamy
08 Desambra, 11h23. Tafiditra ao anatin’ny ekipa misy mpilalao 22 hiatrika ny lalao hihaonan’ny kliobany Paris Saint-Germain(PSG) sy ny klioba Brugge anio hariva ao amin’ny Parc des Princes de Paris i Mathias Randriamamy tamin’ny andro farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny UEFA Champions League. Ity no antso voalohany nataony taorian’ny nanaovany sonia ny fifanarahana matihanina amin’ny klioba eto an-drenivohitra frantsay. Hiara-hilalao amin’ilay mpilalao baolina kitra malaza Arzantina Lionel Messi, izay vao haingana no nahazo ny Baoliny Volamena fahafito, ilay tovolahy mpiandry tsatokazo avy ao amin’ny Barea eto Madagasikara.
