Nidina an-dalambe nanao fitakiana mikasika ny tsy fisian’ny rano ny mpianatry ny Cite Ambatomaro
08 Desambra, 09h30. Nilanja sora-baventy, nandorana kodiarana, nanakanan-dàlana amin’ny alalan’ny vato ireo mpianatra teny amin’ny Cité Ambatomaro ny 7 desambra teo. Antony ny tsy fisian’ny rano teny an-toerana tao anaty ny fotoana maro. Nangataka izy ireo ny mba hijeren’ny JIRAMA haingana izany toe-draharaha izany ary tsy hanatsahatra ny fitakiana raha tsy voavaha ny olan’ny rano.
