Toamasina : Tratra ireo mpangalatra tari-by an’ny Jirama
17 Aogositra, 14h 00 Telolahy no tratran’ny polisy tao Barikadimy Toamasina, izay tompon’antoka amin’ny fahatapahan’ny herinaratra any an-toerana. Taribia mirefy 13 metatra no tratra teny amin’izy ireo niaraka tamin’ny fitaovana fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny.
