Tambazotra mpanondrana olona any amin’ny tany Arabo ravan’ny polisy
08 Desambra, 09h15. Tambazotra iray mpanondrana olona mankany amin’ny firenena arabo misy lehilahy 03 sy vehivavy 04 no ravan’ny Polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato rehefa nikasa nanondrana vehivavy ho any Dubaï ireto. Nangalan’ireo olon-dratsy ireo vola hatrany amin’ny 4 tapitrisa ariary ireo vehivavy ireo nikarakarana ny antontan- taratasy. Ankoatra izay tsy misy akory ilay asa nampanantenaina any ivelany nampanatenaina azy ireo. Efa nalefa any am-ponja kosa ireo olon-datsy ireo.
