Ikongo : 70 Ar ny kilaon’ny litchis eny am-potony
Misedra fahasahiranana tanteraka ny tantsaha mpamboly any amin’ny Distrikan’i Ikongo amin’izao fotoana izao noho ny faharatsian’ny lalana. Alefa mora ireo vokatra satria zara aza mba misy mividy. 70 ar ankehitriny ny kilaon’ny litchis any an-toerana.
« Ratsy tanteraka ny lalana ka lasa midina hatramin’ny vidin’ny litchis satria dia 70 ar ny iray kilao any an-toerana, iiska rehetra dia samy mahalala ny lanjan’izany 70 ar izany amin’izao vidim-pianana tsy mitsaha-miakatra izao » hoy ny Solombavambahoaka voafidy any an-toerana, Razafintsiandraofa Brunelle.
« Ny vidin’ny litchis ihany angamba no tena midina amin’izao fiainana izao, hitantsika tsara izay ny maha zava-dehibe ny lalana eo amin’ny fampandrosoana ka io no tena tokony imasoana bebe kokoa noho itony fotodrafitr’asa lazaina etsy sy eroa ho manara-penitra ironyI hoy i Gilbert, mponina any Ikongo. « Mila olona tena vonona hitondra lavitra ny firenena isika fa tsy sanatria hambotry ny efa mahantra tahaka izao foana, mila olona mahay mijery ny vahoaka sy ny marary azy » hoy ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra. Tsy vitsy tokoa no nilaza fa tsy azo hanina ny lalana ka tsy tokony ho laharam-pahamehana fa ny ara-tsosialy aloha kanefa tsy afaka handroso ny sehatra rehetra na sosialy na ekonomika na politika na fanabeazana raha ny lalana indray no ratsy.
Nicole Rafalimananjara
