ActualitésTsidika

Toetr’andro : Miteraka fihenan’ny famokarana herinaratra ny faharitran’ny renirano

Nahitana fidinany hatramin’ny 60% ny famokarana herinaratra eto maintsika noho ny haitany sy ny faharitran’ny renirano vokatry ny hafanana be loatra. Mihena noho izany ny angovo vokarina ka hahatonga ny fahatapahan-jiro matetika izany izay mety hikasika ny toe-karena mihitsy satria ao ireo tokantrano sy orinasa mivelona amin’ny fampiasana ny herinaratra.

« Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’anadro avokoa ireo, maina ny renirano ka sady hijaly rano fisotro isika no hijaly herinaratra » hoy i Fano, mpianatra eny Vontovorona. « Isika ihany no mizaka ny vokany eto satria ny doro tanety izay ataontsika sy ny fandripahana ny ala ihany no tena mahatonga izao tsy fisian’ny orana izao ka miteraka ny haintany mandritra ny renirano » hoy i Junot, Mpahay mikasika ny rano.

« Entanina hatrany isika hamboly hazo ho fanavotana ny tontolo iainana izay iaraha-mahita ny vokany amin’ny fiainantsika andavanandro » hoy ny vay ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Olana goavana miteraka tsy fahampin’ny rotsak’orana izay mahatonga ny rano hiakatra ka afaka hamokarana ny angovo ho tonga any an-tokantranontsika tsirairay avy any. Rehefa tsy misy noho izany ny rano dia mihena ny famokarana herinaratra.

Mila manao izay tena tratrantsika isika ho fanarenana ny toetr’andro, ary mba hisian’ny rotsak’orana betsaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire