Sambava : Fasana may, razana roa no kila forehitra
Nahitana firehetana fanindroany tao anatin’ny roa herinandro ny fasan-drazana tany Ambodiampana Lokoho any Sambava 19 novambra lasa teo. Niezaka naomono afo tamin’ny alalan’ny fitaovana teny aminy ny fokonolona fa tsy avotra ny razana roa izay may kila forehitra ary avy amin’ny fianakaviana iray.
« Tao anatin’ny roa herinandro dia efa in-droa may. Ny voaloany dia tamin’ny 02 novambra, 2021 razana lahiantitra iray manodidina 80 taona » hoy ny sefo fokontany any an-toerana. « Tsy maintsy hanaovana ny fombafomba ity fasana ity ka hamonoana omby, izay tsy fantatra na sotasota fostiny na fanotana fady tsotr’izao » hoy ny ben’ny tanàna any an-toerana. « Tena mampalahelo ny tranga toy izao fa dia miala amin’ny halatra taolam-paty dia miditra amin’ny fandoroana ny efa taolam-balo, tena misy olona tena sahy manao tsinotsinona ny razam-be mihitsy » hoy i Raymond, mponina any Sambava.
Mampanontany tena tokoa ity zava-mitranga any Sambava ity. Isika Malagasy rahateo dia manaja fatratra ny razana sy ny hasiny kanefa dia izao voaota fady izao izy ireo. Sotasota sa inona no tena antony ?
Nicole Rafalimananjara
