Ambohitrinimanga Avaradrano : Lasan’ny vahiny ambongadiny ny tany nohajariana nandritra ny taona maro
Mitaraina ny vahoaka ao amin’ny Fokontany Ambohitrinimanga, Ambodisiarivo, Ambohibary Namehana, satria tany efa nohajarian’ny vahoaka nandritra ny 70 taona no indro lasan’ny vahiny fotsiny amin’izao.
Raikitra ny fitokonana teny an-toerana nataon’ireo mponina, ary tsy manaiky ireo vahoaka. « Tsy hiala izahay na ho faty eto aza, aleonay maty ho an’ny taranakay toy izay omenay ny vahiny ny tanindrazanay » hoy ireo vahoaka eny an-toerana. « Tany nohajarian’ny vahoaka efa ho 70 taona mahery, mirefy 23 ha, no lasan’ny Karana tampoka eto iza no hanaiky izany, satria izahay gasy kely tsy manana Euro ? » hoy i Luc, mponina any an-toerana.
« Hodinihina sy handraisana vahaolana izao korontana izao, kanefa am-pilaminana no tokony handinihana izany ka mila mitony aloha » hoy ny Solombavambahoaka. « Raha tsy manana taratasy ara-dalàna mikasika ny tany ampiasainao ianao dia tsy anao izay ilay tany ka ilaina foana ny malina mandrakariva, efa miezaka manantona antsika eny ny BIF (Birao ifotony ny fananan-tany) » hoy i Koly, mpahay lalàna.
Olana mateti-piseho ity ady tany ity ary tokony handraisana fepetra mihitsy. Mila manoratra ara-panjakana ny tany ny tompon-tany iray mba tsy hisian’ny olana satria na nanajary tany nandritra ny taona marobe aza ka tsy manana taratasy dia tsy tompony izany. Ilaina foana ny manara-dalàna mba tsy hisian’ny olana, mora kokoa mantsy ny miaro antsika vahoaka raha manaraka tsara ny lalàna isika.
Nicole Rafalimananjara
