Dépêches

Mahanoro : Tratra ilay renim-pianakviana sy ny sakaizany nahavita namono ny zanany

19 Novambra, 10h00. Efa ho iray taona izay izany hoe ny 22 Desambra 2020 tamin’ny 7ora hariva dia nisy fatin-jaza antsoina hoe Botomora Daniel Robertin,10 taona monja,hita tao amin’ny canal de Pangalanes tao amin’ny fokontany Tanambao II Kaominina ambony vohitr’i Mahanoro. Vokatry ny fitsirihana nataon’ny Dokotera sy ny Polisim-pirenena no nahafantarana fa novonoina aloha io zaza io vao natsipy tao anaty rano. Tapaka ny tendron’ny lelany ary nisy lavaka kely teo amin’ny foto-tsofiny roa. Fantatra taty aoriana fa ny reniny sy ny sakaizan’ilay reniny ihany no nahavanon-doza. Efa natolotra ny fampanoavana tao Vatomandry ny raharaha ary nidoboka any am-ponja izy roa ireo.

Laisser un commentaire