Ankadikely Ilafy : Nodiovina ny tatatra
Tranga miteraka fahatsentsemana rehefa amin’ny fotoana firotsahan’ny orana ny fisian’ny fako ao anaty tatatra. Nanatanteraka fanadiovana nanasorana ireo fako manentsina ny tatatra ny teo amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. »Zava-poana ny fanadiovana ataonay raha toa ka tsy ny rehetra no tompon’andraikitra sy miara-miasa hampadio ny tanàna » hoy ny tompon’andraikitra ao Ankadikely Ilafy. « Tokony ho sarotiny, ary hiteny ireo olona minia manary ny fakony ao anatin’izy ireny ihany koa ireo mponina manakaiky ireny tata-drano ireny hitandroana miaraka ny fahadiovan’ny tanàna » hoy i Felamboahangy, mponina any Ankadikely Ilafy. « Mifameno tokoa ny mpitondra sy ny vahoaka raha resaka fampandrosoana ny firenena ka tsy tokony hisy mihitsy ny fifampanomezan-tsiny raha toa tsy misy ny fandrosoana satria samy tsy nanao ny asany izany ny roa tonta » hoy i Gabriel, mpahay fiarahamonina.Tsy ny mpitondra tokoa mantsy no hanary fako ao amin’ireny tatatra ireny fa isika vahoaka ihany kanefa ny mpitondra no lasa tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana azy. Rehefa miakatra anefa ny fofona, maloto ny tanàna sy ny tontolo iainana dia tsy te hahalala hafa-tsy ny hitaraina amin’ny tompon’andraikitra ny vahoaka. Iza anefa no tena tompon’andraikitra voalohany ?
Nicole Rafalimananjara
