COP26 : Tanjona ny hampihena ny fiakaran’ny mari-pana maneran-tany
Ny hampihena ny fiakaran’ny mari-pana maneran-tany no tanjona mandritra ny COP26 tanterahina ao Glasgow nanomboka ny 1 novambra lasa teo ka hatramin’ny 12 novambra ho avy izao. Nandritra ny taona nifandimby, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, maro ny tranga tsy nampoizina niseho tamin’ny toerana maro tsy dia ahitana izany. Ohatra amin’izany ny fisian’ny tondra-drano tao Allemagne, ny hafanana be tao Canada, ny fahamaizana tany Californie, Etats-Unis.
« Ireo tranga vaovao ireo izay mety hiteraka voka-dratsy amin’ny ho avy. Ohatra amin’ny tondra-drano mety hiseho ao Normandie », raha ny nambaran’ny mana-pahaizana manokana momba ny toetr’andro.
Amin’ny ankapobeny, ny hampihena ny fiakaran’ny mari-pana maneran-tany ny tanjona tiana ho tratrarina amin’ity COP26 ity. Tsy tokony hihoatra ny 1,5 Degré izany. Mampiavaka ity andiany ity ny fandraisan’i Etats-Unis anjara amin’izany, raha toa ka tsy tonga ny filohan’i Chine, Brésil sy Russie. « Ireo firenena telo ireo anefa ny tena ahitana «gaz à effet de serre» ambony indrindra », raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra hatrany. Ny tatitra navoakan’ny mari-pahaizana ao amin’ny GIEC no naneho fa « tsy ampy ny ezaka ataontsika amin’ny fampihenana ny mari-pana sy ny famoahana ny gaz à effet de serre ». Ahiana hiakatra hatrany amin’ny 3 dégré arak’izany ny mari-pana ka mety hiteraka vokany ratsy ho an’ny zanak’olombelona.
Tanjona ankoatra izay ny fanatanterahina ny « accord de paris » tamin’ny taona 2015, nandritra ny COP21 tany an-toerana. Nanao andrana fanarahana izany i Frantsa ka namporisika ny mponina hampiasa angovo azo havaozina. Ohatra amin’izany ny fampiasana fiara « hybride » hahafahana mampihena ny mari-pana maneran-tany. Manarak’izany ny fanamafisana ny fampihenana ny fanapahana ala ho an’ny firenena miisa 100 ahitana ny 85% amin’ny ala misy maneran-tany. Isan’izany moa i Madagasikara. Araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Malagasy nandritra ny fandraisany fitenenana, « nametraka politika fambolen-kazo amina velaran-tany manodidina ny 40 000 ha isan-taona i Madagasikara nanomboka ny taona 2019 ».
Hatreto, manodidina ny 90% amin’ny firenena ny nanao sonia fa hampihena ny 30% amin’ny famoahana « gaz à effet de serre ». « Tokony hanome drafitra ny firenena tsirairay avy hampihena hatrany amin’ny 45% ny « gaz à effet de serre » ho an’ny 10 taona manaraka ahahafahana manafoana izany tanteraka ny taona 2050″, hoy ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana.
Andy Rafidimanana
