Zig Ziglar : Miaingà amin’ny zavatra tsotsotra raha vao hanomboka
Betsaka ny olona ankehitriny, raha vao hanomboka hanao zavatra na hanangana vina dia efa miheritreritra zavatra sarotra sahady. Amin’ny alalan’ny fahaizanao mitondra sy mitantana ny fanatanterahana izany anefa no mety hampandroso sy hahatontosa ny tanjonao na tsia. Vokatr’izany, mety haharitra sy hatanjaka ny vina izay apetrakao raha tsara tantana dien’ny eny am-piandohana.
Diso eritreritra avokoa ny ankabeazan’ny olona manangana vina amin’izao fotaoana izao. Maro mantsy izy ireo no tonga dia miheritreritra fa mora miroborobo ny asa na ny vina izay napetraka rehefa hatomboka amin’ny zavatra raitra kokoa. Toy izany daholo ny ankamaroan’ny fomba fisainan’izy ireo ka anisan’ny sakana tsy hirosoany izany. Kanefa, tsara ho marihana fa zavatra tsotsotra avokoa no niaingan’ireny orinasa rehetra ireny ary vokatry nybasa mafy izay nataony no nampiroborobo azy toy izao. Tsy mila mahatalanjona ianao raha vao hanomboka hanatanteraka ny vina izay napetraka, fa mila manomboka ianao mba hahatalanjona ny olona. Izany no tokony hatao dia handroso vetivety ny vina izay nataonao ary hivoatra hatrany ihany koa ny fandraharahanao.
« Izaho izao niainga tamina zavatra tsotsotra tamin’ny voalohany. Nanamboatra an’ilay cacapigeon ireny dia namidy tamin’ireny tsena madinika rehetra ireny. Izao anefa tena efa fanta-daza ny vokatro ary efa hita any amin’ireny grande surface ireny » hoy i Lalaina, mpandraharaha. « Mety foana izay hanombohanao fa tsy misy an’izany. Ampiasao fotsiny izay hananana dia ataovy talanjona amin’ny asanao ny olon-drehetra » hoy kosa i Rémond, mpandraharaha.
Araky ny zava-maro efa niainan’i Zig Ziglar anefa no nanambarany ity teny ity : « tsy voatery ho mahafinaritra inaoa vao hanomboka, fa tokony hanomboka mba hahafinaritra ». Aza mamorona ny tsy misy noho izany mba ho an’ny vina izay napetrakao sao de tsy hitsangana na ho mora rava izany sanatria.
Mila amboarina hatrany ny toe-tsaina mba tsy ho tia hanasaro-javatra fa hiainga amin’ny tsotsotra hatrany, indrindra eo am-panombohana. Kanefa, aza dia diso tsy mivaky loatra fa izay fara-vitanao ihany no ataovy. Noho izany, mety hisy fivoarana lehibe ve eo amin’ireo orinasa natomboka tamin’ny tsotsotra rehetra ireo ? Sa mety hijanona ho torak’izay hatrany ny toerana misy azy ? Ho maty antoka ve ireo talanjona dien’ny ety am-boalohany rehefa hanangana tanjona iray ?
Miangaly Rasoamihajamanana
