SportTatitra

France : Tsy hiatrika ny andro fahaefatry ny « Ligue des champions » i Lionel Messi

Tontosaina anio hariva ao amin’ny kianjan’ny RB Leipzig ny andro fahefatry ny « Ligue des champions ». Tsy hiakatra io fifanitsanana io nefa i Lionel Messi noho ny ratra nahazo azy nandritra ny lalao farany nifanatrehany tamin’i Lille. Voa eo amin’ny feany havia (ischio-jambiers à gauche) sy ny lohaliny izy raha ny tatitra nataon’ny kliobany ny talata teo.Mbola notsaboina ihany koa i Sergio Ramos, Marco Verratti ary Leandro Paredes raha ny fanazavana ary tsy hiatrika io lalao ao Allemagne io. Mpilalao 21 kosa no nofantenan’ny mpanazatra Mauricio Pochettino hiakitra io fifanitsanana io.

Laisser un commentaire