SocialTsidika

EPP Ambohimangakely : Nampiana sy nohatsaraina ny sekoly

Nampiana efitrano roa indray ny préscolaire eo amin’ny EPP Ambohimangakely, ary niampy iray ny birao no sady nohatsaraina ny trano fianarana miisa 6 anatiny sy ivelany. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kaominina sy ny ArBiochem nanatontosana izao asa ho an’ny fanabeazana izao.

« Ny fanabeazana no lalana iray hizorantsika amin’ny fampandrosoana lovainjafy ka tsara raha misitraka izany ny ankizy rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Unicef. « Isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny kaominina ny fanabeazana ka ny fanatsarana ny sekoly no nanombohana ny fanavaozana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry.

« Rehefa tsara sy voakarakara ny fotodrafitr’asa ho an’ny mpianatra dia mazoto hoazy izy ireo ny ho any am-pianarana ka tena ilaina ny asa fanamboarana toy izao » hoy i Emeline, ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Ambohimangakely. Zava-dehibe tokoa ny hetsika fampiroboroboana ny fampianarana mba hanomezana lanja hatrany ny fanabeazana sy hampiakarana ny lentan’ny fampianarana. Miainga amin’ny zaza any amin’ny EPP ny olona hitondra avo ny firenena atsy ho atsy ka tsara raha dia eny amin’ny fototra no harahitra ao an-tsainy ny maha zava-dehibe ny fisian’ny olona manam-pahaizana eo amin’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire