ActualitésTsidika

Covid-19 : Nhaitana tranga 4 tany Morondava

Mbola ao anatin’ny fepetra hiarovana amin’ny fifindran’ny Covid-19 hatrany isika amin’izao na dia efa tena miverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro aza. Nahitana trangana Covid miisa 4 tany Morondava ny 18 hatramin’ny 27 Oktobra 2021 lasa teo. « Tra-boina any an-tokatranony avy ireo marary ireo ary efa arahi-maso akaiky ny fahasalamany mba tsy hifindra amin’ireo manodidina azy » hoy ireo mpitsabo any an-toerana.

« Mila manaja hatrany ny ireo fepetra sakana hiadiana amin’ny coronavirus isika eto Menabe mba tsy hisian’ny marary be indray ka hahamora antsika hiditra amin’ny fihibohana indray » hoy ny Talem-paritry ny fahasalamana any an-toerana. « Tsy maty akory ilay aretina ka tokony ho mailo hatrany ny rehetra indrindra ny mpitondra fanjakana manoloana ny fanokafana ny sisin-tany, mbola maro ny firenena any ivelany no ao anatin’ny krizy ara-pahasalamana tanteraka amin’izao » hoy i Njaka, mponina ao Morondava.

Namoaka tatitra ihany koa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamana fa nisy ny tranga roa hita tamin’ireo mpandeha avy any ivelany. Tsy misy hafa-tsy ny fahamalinana ihany no tena vahaolana izay tokony hanalavirana ny mety ho fitangoronana sy ny fanajana hatrany ny fepetra. Efa misy ny Covid fa kosa tsy tokony ho atao sakana tsy hampandroso intsony izany fa tokony hiezaka hatrany aza isika ny hampandroso ny tenantsika tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire