Tantara : Niavaka ny rafi-piarahamonina fahiny sy ny fomba nanabeazana ny olona
Fony mbola nitsitokotoko isam-pianakaviana ny Malagasy tany am-piandohana, eny fa na taty aoriana kely aza no lasa nihitatra ho foko sy firazanana ilay fianakaviana, dia ny Zokiolona na ny sojabe na ny Tangalemana no masimandidy tamin’ny fitaovam-pamokarana sy ny vokatra, ary to-teny teo amin’ny fiarahamonina. Izany no rafi-piarahamonina napetraky ny Ntaolo fahiny ho entina handrindrana ny fiainan’izy ireo ka niova tsikelikely raha ny vanim-potoana izany.
« Azon’ny sojabe izao ny mandroaka olona iray hiala amin’ny fokontany raha tiany izany, izany hoe izy no namaritra sy nandamina ny fiaraha-monina ka niankina taminy ny toe-karena teo amin’ny faritra nentiny » hoy i Ratrema William, mpahay tantara. « Ny zandriolona dia mpanatanteraka ny baiko fotsiny. Teo no nitranga ireo ambaratongam-piaraha-monina miankina amin’ny taona : izay ela nihetezana tokoa mantsy no lava volo ka noraisina ho efa manan-traikefa ireo efa lehibe tamin’izany » hoy i Maintso Anala, mpikaroka tantara.
Etsy an-kilany, tsy mbola nisy ny sekoly tamin’izany vanin’andro izany fa kosa tamin’ny fitondran-dRadama vao niditra teto ny soratra nentin’ireo Misionera anglisy. Na izany aza anefa tsy maintsy nikaroka fomba hafa ny Ntaolo fahiny nentina namolavolana ny sain’ny olona tamin’izany. Isan’ny tena fomba nentina nanabeazan’ny Ntaolo ny zanany ny lahabolana am-bava isan-karazany toy ny angano, ny takahotsy, ny tafasiry, ny hain-teny, ny ohabolana. Tamin’ny alalan’ireo lahabolana ireo no nampitan’ny Zokiolona ny tsangan-kevitra sy ny fomba amam-panao mifanaraka amin’ny rafi-piarahamonina, izay nahitana ny fihavanana, ny fifanajana, ny fanajana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahatahorana ny tsiny sy ny tody.
Antsoina hoe Hendry noho izany ireo olona mankatoa ny zokiolona ary indrindra ireo manatanteraka ny teniny sy ny baikony.
Nicole Rafalimananjara
