ActualitésTsidika

Fitahirizana vakoka : Mahafantatra ny lasa mba hiatrehana ny hoavy

Teo amin’ny tokotaniben’ny haino aman-jerim-panjakana (ORTM) no nametrahana ny vato fototra amin’ny fananganana fotodrafitr’asa mahakasika ny mozean’ny vakoky ny haino aman-jery.

Olom-panjkana maro no tonga nanontrona sy nanome voninahitra ny lanonana, ka anisan’izany ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy ny fotodrafitr’asa, ka haranty ao anatin’izany mozea izany ireo fitaovana fampiasa taloha amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo, izay mirakitra ny tantaram-pirenena. Hetsika maro izay nokarakarain’ny teo amin’ny Minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tao anatin’ny iray volana monja, raha tsihahivina.

Tsikaritra nandritra izany fa mamerina indray ny fomba fanao sy kolontsaina Malagasy ireo tompon’andraikitra, saingy mboa maro hatrany ireo olona sedrain’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny serasera, raha tsy hilaza hafa tsy asa fanaovan-gazety isika. Hita sy tsapa fa mirona mankany amin’ny resaka politika be loatra ny asa fanaovan-gazety ankehitriny. « Manantena ny hanarenana ny tranoben’ny radiom-pirenena malagasy izay nodorana tamin’ny taona sivy sy roa arivo izahay. Eo ihany koa ny hamerenana ireo vakoka sy tahiry aman-taonany norobaina sy nodorana » hoy i Veloniaina Rabakoly, mpahay tantara.

« Tsy laharam-pahamehana manoloana izao fidangan’ny vidim-pianana izao izany tranom-bakoka izany. tsy mahaliana ny vaoaka Malagasy akory izany fa aza sintomina amin’ny hetsika tsy hitonda vahaolana ho an’ny sosialy izahay » hoy i Rija, mpampianatra. « Tsy diso safidy ny Minisitera raha nametraka ny fotodrafitr’asa eto amin’ity toerana ity noho izy izay mifamaotra tanteraka amin’ny tantaran’ny haino aman-jery Malagasy sy ny tantaram-pirenena. Nosafidiana ihany koa ny datin’ny fito amby roapolo oktobra, amin’ny andro maneran-tany ho an’ny harem-bakoky ny haino aman-jery azy » hoy i Lalatiana Rakotondrazafy. « Ivontoeran’ny fampitana ny vaovao manerana ny Nosy ny haino aman-jerim-panjakana, koa rariny raha eto no nosafidiana hametrahana ny mozea. Manan-danja tanteraka ny fananganana fotodrafitr’asa toy izao » hoy i Andry Rajoelina.

Manana ny tantarany nanamarika azy ny haino aman-jery eto madagasikara, izay tsy afaka kosehina na adinoina. Sedra maro no nolalovan’ireo mpisehatra tao anatin’izany asa izany, nanoherana ny ampihimamba natao taminy. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ireo Minisittra, amin’ny alalan’ny fanavaozana hatrany ny Minisitera sahaniny, koa rariny raha toa ka izy ireo no mitarika amin’ny fanovana indray. Hinoana ve ny hisian’ny fampirantiana ireo tolona sy ady natao tamin’ny asa fanaovan-gazety ao anatin’izany mozea izany ? Sa ireo fahatsiarovana tsara hanaronana ny lesoka sy ny jadona ihany no hiranty ao ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire