SocialTsidika

Ambohimanambola : Manjaka ihany koa ny hala-botry

Tsy mifidy angalarina intsony ny olon-dratsy amin’izao fotoana izao, fa na dia vomanga maniry eny an-tsaha aza misy maka. Manjaka ny hala-botry ao Ambohimanambola amin’izao fotoana izao, izay mitaky ny fahamailoan’ny tsirairay samy hahay hiaro ny fananany, na an-tsaha na an-tanana.

« Mila faizina mihitsy rehefa tratra mba tsy hamerina intsony rehefa tsy handray ny andraikiny ny mpitandro filaminana aleo hiditra an-tsehatra izahay vahoaka hanafay ny mpamotika ny fiainanay » hoy i Christophe, mponina ao Ambohimanambola. « Izao dia efa mampandre ny rehetra fa raha tratranay Fokonolona eo dia hahita tsara satria tsy eto mihitsy no hanaparanareo ny herinareo amin’ny fangalarana. Tany manan-tompo io ary manan-tompo daholo ireny hitan’ny maso ireny ka samia mijanona amin’izay ananany fa tsy haka an-keriny ny an’ny hafa » hoy i Hanitra, renim-pianakaviana monina ao Ambohimanambola.

« Mampijaly ny mponina loatra ny tsy fisian’ny asa kanefa vao maika hijaly isika raha ny fanjakana foana no andrasana hanome asa sy sakafo eo, fa aoka samy hahay hamorona asa ny rehetra dia hilamina ny tany. Tsy mila hakamoana ny fandrosoana fa raha te handroso dia mila manana finiavana sy fahazotoana » hoy i Charles, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Tsapa tokoa mantsy fa rehefa manjaka tahaka izao ny hala-botry dia ny fanjakana foana no omen-tsiny, ary vao maika miakatra ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana satria miandry ny fanjakana ny vahoaka. Azo atao tsara anefa ny tsy miandry ny fanjakana amin’ny alalan’ny famoronana asa ho an’ny tena manokana, izany hoe miditra amin’ny resaka fandraharahana.

Hisy ny hetsika fampahafantarana mazava ny momba izany any Avaradrano Ambohimanangely ny 8 hatramin’ny 14 novambra izao. Fotoana izany hanararaotana ny fahalalana mikasika ny fandraharahana satria manomboka amin’ny tena tsirairay ny fandrosoan’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire