SocialTsidika

Herin-tsaina sy finiavana : Lavo im-pito, mitsangana im-balo, fampianarana avy any Japon

Anisan’ny firenena malaza ho tena mandroso raha ny i Japon. Ny fahaizan’izy ireo mampiasa saina sy manofana ny ankizy dieny mbola kely anefa no tena anton’izany. Fandrosoana sy fandraharahana maro no vokatr’izany asa izany. Tsy very mandeha mihitsy mantsy ity firenena ity raha mandinika isika, ka tokony hianarana ihany koa izany zavatra tsara ataony izany.

Tsy hoe tsy lavo mihitsy akory i Japon, fa ny herin-tsaina no atao be. Manam-piniavana hilofo hatrany izy ireo manoloana ny zava-misy atrehina. Rehefa lavo dia miharina hatrany, izany no toe-tsain’izy ireto. Raha mandinika isika dia efa tena miparitaka any amin’ny firenena maro samihafa ny vokatr’izy ireto ary efa betsaka ihany koa ny olona manjifa izany. Ho azy ireo, hofanina dieny mbola kely ny zaza ho mpandraharaha sy hahay hiasa tena, hanangana ny orinasany manokana fa tsy hiandry tolorana. Izany zavatra izany indrindra anefa no antoka mampivoatra azy ireo toy izao ankoatra ny fepetra maromaro tsy voatanisa ao amin’io firenena iray io. Noho izany, ilaina ny mahay maka tahaka izay tsara any amin’ny hafa, ary ampiasaina izany. Tsara ny manana saina tia karokaroka sy kingakinga, fa izany no mampahomby vetivety. Aza mora kivy sy mitolefika manoloana ny ady maro samihafa hatrehina fa sahia miharina sy mijoro hatrany.

« Mpiasa trano no asa nataoko tany Japon raha niala teto an-tanindrazana aho. Zava-baovao maro azo hakana tahaka anefa no hitako tany rehefa tonga tany aho ary nampihariko teo amin’ny fiainako izany. Efa tafita aho ankehitriny ary efa manana fiara maro sy trano maro tokoa » hoy i Christelle, tanora mpandraharaha iray. « Tsy maintsy misy hakiviana foana ao anatinao na olona manao ahoana ianao na manao ahoana. Ary ny Malagasy ihany koa anie malaza ho mbola mahantra ara-toe-tsaina e ! Mbola tsy mahavita tonga dia miharina izany rehefa avy lavo » hoy kosa i Aina, tanora.

Anisan’ny toe-tsaina tena nananan’ireto olona any Japon ireto mihitsy anefa izany ka nanaovany izao oha-pitenenana izao : « lavo im-pito, mitsangana im-balo ». Raha hazavaina ity oha-pitenenana ity dia tsy maintsy atao mihoatra ny fahalavoana foana ny isan’ny fiarenanao. Izany hoe miarina foana na inona na inona mitranga.

Tena mahery dia mahery izany toe-tsaina izany, ary tsapa tanteraka ankehitriny ny fiantraikan’izany. Efa tsy misy zoviana amintsika tsirairay avy intsony ny vokatra aterak’izany. Noho izany, tokony hahay haka tahaka izany fomba fisainana izany isika Malagasy rehetra, indrindra ireo olona te hiroso eo amin’ny tontolon’ny fandrahrahana, ka hanao filamatra ny toe-tsaina toy izany. Saingy mbola azo lazaina ho kamo hampiasa saina ny ankabeazan’ny Malagasy, miandry tolorana foana fa tsy mba vonon-kiharina mihitsy. Arak’izany, tokony ho hampitomboana ve ireo fepetra sasany mety hampandroso ny nosintsika sy ny mponina ao aminy ? Ny hamaron’ny mponina fotsiny ohatra ? Tokony handraisana andraikitra ihany koa ve ireo olona kamo hampiasa saina sy miandry tolorana foana ireo sa ho terena an-kolaka ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire