ActualitésTatitra

France : Mitaky ny hikarohana ireo nanindrona antsy in-draikambin’ny folo an’i Mireille Knoll ny zanany

Tanterahina anio ny fitsarana ireo olona roa lahy, Yacine Mihoub 31 taona sy i Alex Carrimbacus 25taona, voapanga ho nanindrona antsy an’i Mireille Knoll ka nitarika ny fahafatesany. Ity raharaha ity izay nitranga tamin’ny 23 martsa 2018 izay nanantsoina ireo mpamonjy voina noho ny famaizana trano iray tao amin’ny faritra Antsinanan’ny Paris ka nahitana ramatoa 85 taona iray may sady voatsatokin’ny antsy tao amin’ny rihana faharoa izay tsy iza fa i Mireille knoll. Raha natao ny fanadihadiana dia hita fa i Yacine Mihoub sy i Alex Carrimbacus no teo an-toerana tamin’io fotoana io.Rehefa samy nohadihadiana izy roa lahy ireo dia tsy nitovy ny fanamarianan-tenanan’izy ireo fa ny iray nilaza fa nitarika ny iray hanao irony « plan thunes » irony ary ny iray kosa nanambara fa faniriana mba hiaraka fotsiny no nahatonga azy tao. Ireo hevitra tsy nitovy ireo izany no nahatonga azy roa lahy ireo ho voapanga tamin’ity raharaha ity entina ho tsaraina anio eny amin’ny tribonaly izany.

Laisser un commentaire