ActualitésTsidika

Fanabeazana : Nankalaza ny faha 30 taonany ny CEG Ambohimanambola

Nankalazaina manentriketrika ny ivon’ny faha-30 taona ny CEG Ambohimanambola, izay isan’ny reharehan’ny tanàna iray manontolo. Betsaka ny nanovo sy nisitraka fahalalana tao amin’ity toerana ity, ary tsy vitsy ireo efa lasa lavitra tamin’izany fahalalana norantovina tao izany.

Nitotorebika an-karavoana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ireo mpitondra sy ny vahoaka rehetra tany an-toerana. « Nitondra soa ho ahy ity sekoly ity, namoaka mpianatra betsaka, izay hitondra ny sekoly sy ny tanàna iray manontolo mihitsy » hoy i Kanto, maintimolaly tao amin’ny CEG Ambohimanambola. « Mitarika fivoarana maro ety ifotony ny mpianatra maahy ary ny fianarana no vahaolana voalohany hivoahantsika amin’izao fahasahiranana izao, mila omena lanja ny fanabeazana eto Madagasikara » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola.

« 30 taona lasa tokoa izay no vita ary hirariana ny hahatrarana ny 30 taona ho avy indray ka hiara-hifaly eto indray isika » hoy ny talen’ny CEG Ambohimanambola nandritra ny fandraisam-pitenenany. Isan’ny sehatra iray hamahana ny olana mianjady eto amin’ny firenena tokoa ny fanabeazana ny zanaka Malagasy rehetra, rehefa mahay mantsy izy ireo dia manana saina tia karokaroka hamapndrosoana ny firenena. Zava-dehibe tokoa noho izany ny fandefasana an-tsekoly ny ankizy mba hisian’ny fiovana, indrindra eny amin’ny fiarahamonina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire