Mamoriarivo Talata volonondry : Toeran’ny mpanenona landy
Fokontany iray ao anatin’ny kaominina Talata volonondry, distrikan’Antananarivo Avaradrano, i Mamoriarivo. Tanàna kely ambanivohitra izy, ary manana ny tantarany sy ny hasiny ihany koa, toy ireo tanàna rehetra ao amin’ny distrikan’Avaradrano. 30 km miala an’Antananarivo no misy ity toerana ity, ary atsimon’ny Talata Volonondry no misy azy, 1km eo ho eo raha miala ao ka ho any.
Talohan’ny taona 1575 ka hatramin’ny 1610 nanjakan’dRalambo no efa nisy ny tanàna’ny Mamoriarivo, saingy Vohitrandriandoria no niantsoana azy tamin’izany. Raha ny fitantaran’ny Zokiolona ao an-tanàna Rajaobelisoa mantsy dia « anaran’ilay andriana nonina tao ilay hoe “Andriandoria”, ka izay no niantsoana ilay toerana hoe Vohitrandriandoria, mbola tazana ao an-toerana mandrank’ankehitriny ny vakoka navelan’ny Andriandoria. Isan’izany ny hadivory manodididna ny tanàna, izay mbola hita ao n-toerana. Fitaovana maro no nanaovana azy io ary isan’izany ny rano izay miditra ao anelanelany. Raha ny fantatra koa dia mbola hita ao an-toerana ihany koa ny fasan’io andriana io ».
Hita ao Mamoriarivo koa ny fasan’ny Tsimialonjafy, dia tsy inona izany fa fasana iray lehibe vita fahiny, hilevenan’ny taranak’Andriandoria, izany hoe rehefa taranaka navelany, na avy aiza na avy aiza dia afaka milevina ao. Tsy voatery hoe ny avy ao Mamoriarivo ihany fa na avy lavitra aza rehefa taranany dia afaka milevina ao, marihina anefa fa izay tena taranany ihany no afaka misitrika ao.
Nanana ny sampiny ihany koa Andriandoria, raha ny nambaran’ny mpanasina Doany ao an-toerana. « Rabefavolamanjaka no anaran’ny sampin’ny Andriandoria, rehefa fankalazàna ny volan’ny Alahamadibe na Alakaosy be ohatra dia eo no anantaterahiny ny fanasinana sy ny sikidy rehetra, maro ny fihetsika sy fomba tao rehefa manao izany, misy izany hoe “Fihasinana” izany ao. Dobo fandroana izy io ary ao ny andriana sy ny vahoaka no mandro rehefa andron’ny Asaramanitra, ao ambatolampy koasa ny toerana fisasàna rehefa misy fahorana na zava-dratsy, mbola hita ao ilay hazo tokana fampivoriana ny olona fahiny ».
Raha ny fady tao an-tanàna indray dia ny tongolo. Ny mamboly tongolo raha ny marimarina koakoa no tena tsy mety. Fomba taloha izy ary tsy dia misy hidirany amin’ny resaka finoana sy fady ohtr’ireny fahiny ireny fahita ireny loatra ity fomban’izy ireo ity fa hafa kely mihitsy, noho ny fotom-piveloman’ireo olona taloha mantsy ny antony, manao landy mantsy ny olona tao taloha ary tsy zakan’ny landy ny fofon-tongolo, ka noho izany dia nofadiana ny tongolo tao an-tanàna.
Mpandrato sy mpivarotra omby ary mpamboly ny tena fotom-piveloman’ny olona tao, efa hatrizay mihitsy, ny ankabeazan’ireo mpivaron-kena any andrenivohitra aza dia olona avy ao Mamoriarivo avokoa, mpisehatra amin’ny resaka fivarotan-kena mantsy ny akabeazan’ny olona ao an-toerana ary efa fahiny no nisy an’izany tao an-toerana ary mbola mitohy mandrank’ankehitriny.
Raha ny fanazavana nomen’ny sefo fokontany indray dia toy izao no niavian’ilay anarana hoe Mamoriarivo : « rehefa nahita ny fisian’ity tanàna ity ny mpanjaka Ralambo ary nahatsapa fa tanàna misy andriana Hendry ity tanàna ity dia teo izy no namory no arivo lahy ary teo koa no teraka ny anarana hoe Mamoriarivo ».
Na dia somary lavidavitra ny renivohitra ary ity tanàna ity dia tena kanto sy tsara tokoa, anisan’ny olona mahay mifandray amin’ny olona ny mponina any, efa miha-miitatra koa ny tanàna ary mahatratra enina kilaometatra tsy mivadi-mandry ny velaran-taniny raha eo ho eo amin’ny 534 eo ho eo kosa ny mponina ao ankehitriny, mbola vitsy olona ihany izy kanefa dia tanàna azo onenana tsara mihitsy, maro koa ny fandraharahana azo atao ao an-toerana ary tian’ny olona ao mihitsy izany hoe olona avy any andrenivohitra no tonga ao manao asa fandraharahana na mamokatra zava-baovao.
Lovasoa Tojonirina
