SportTsidika

Ambohimanambola : Liana amin’ny fanatanjahan-tena ny tanora

Sehatra iray azo hampandrosoana ny tanora eto amin’ny firenena ny fanatanjahan-tena ary tsy vitsy ireo tanora liana amin’izany indrindra ny ao Ambohimanambola. Ny tena mahafinaritra aza dia efa manomboka miditra an-tsehatra ihany koa ireo zaza indrindra ao anatin’ny baolina kitra sy ny baskety.

« Horeharehin’ny kaominina ireto tanora ireto satria miainga amin’ny isan-tanàna ohatran’izao no hilalao maneran-tany hisolotena ny firenena iray manontolo » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Isan’ny misoroka amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fanavana fanatanjahantena satria misy atao ireo tanora ka tsy manana eritreri-dratsy hangalatra na hanendaka » hoy i Rolland, mpanazatra tanora ao amin’ny taranja Baskety.

« Rehefa hita fa mazoto ny tanora dia mila tohanana foana satria ny toa azy ireny no hitondra ny tanàna rahatrizay ka azo antoka ny fandrosoana » hoy i Véronique, renim-pianakaviana monina ao Ambohimanambola.

Azo hitaritana ny fampandrosoana eto amin’ny firenena tokoa ny sehatry ny fanatanjahan-tena noho izy mikendry kokoa ny tanora. Tsara raha maro ny tanora misehatra amin’io taranja io satria sady mitondra soa amin’ny fahasalamany izany no mitondra lavitra ny fireneny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire