Soavinandriana: Saha iray fambolena rongony no saron’ny mpitandro filaminana.
25 Oktobra, 10h00. Saha fambolena iray no fantatra fa misy rongony ao Ambodimanga Itasy, rehefa nahazo antso ny zandary ao amin’ny Poste Fixe Ampefy dia nidina ifotony avy hatrany omaly alahady 24 oktobra nijery ilay toerana voalaza fa misy voly rongony. Rongony miisa 119 fototra no mielanelana amin’ny voly katsaka sy tsaramaso no hita tamin’izany. Ka nongotana teo imason’ny sefo fokontany ireto rongony ireto. Marihina fa efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ireo olona tratra tamin’izany.
