SocialTsidika

Vintana lehibe ho anao foana ny andro isan’andro

Raha efa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ianao, ny fandrosoana sy fampivoarana no tsy maintsy atao lohalaharana. Amin’ny alalan’ny fanamarihana azonao isanandro mantsy no ahafahanao mampandroso ny orinasanao. Miankina amin’ireo rehetra ireo no mety hampandroso na tsia ny fandraharahana ataonao.Raha mbola velon’aina ianao isanandro isanandro, aza avela handalo eo anoloanao fotsiny ny vintana tokony ho azonao. Mahaiza manararaotra saingy aza diso manararaotra loatra sao dia tsy ho araka indray izay tokony atao. Izay heverinao ho vita ihany atao, aleo manao kelikely tsaratsara toy izay be tsy handraofana hoy isika Malagasy izay. Raha mahavoaray fanamarihana ianao isanandro dia hevero ho tombony ho anao izany. Maro mantsy ireo orinasa na olona misehatra eo amin’ny lafin’ny fandraharahana no tsy mba maharay fanamarihana na teny fohy avy amin’ireo mpanaraka akory fa dia mandeha any fa ho any fotsiny. Arak’izany, mifalia ary aza kivy amin’ny kiana maro an’isa azonao fa làlana iray hampandroso anao izany. » Tamin’ny nianatra teny amin’ny lycée izao aho dia matetika mihitsy no ratsy foana ny naotiko, indrindra amin’ny taranja matematika. Indray andro efa tena faly aho fa anahazo 12/20 kanefa dia mbola ratsy ihany hoy ilay mpampianatra. Kivy aho ary tena nalahelo fa nitràka foana manoloana izany. Lasa talentako amin’izay ilay taranja sarotra indrindra ho ahy taty aoriana ary tena faly aho  » hoy i Fifaliana, mpianatry ny anjery manontolo.  » Tsy very izany fa afaka manarina foana ianao eo amin’ny fiainana, izay no ataovy an-doha. Eny fa na dia eo amin’ny lafin’ny fandraharahana aza, afaka manarina foana ianao, ny fahatsapana izany no zava-dehibe indrindra  » hoy kosa i Tsiry, mpandraharaha. Araka ny traikefa sy ny zavatra maro efa nolalovan’ity olona iray ity mantsy dia manambara amintsika ny hasarobidin’ny fotoana izy.  » ny andro lasa izay efa niainantsika isanandro tsy nanatsaràna ny vokatra dia heverina ho andro very fotsiny  » hoy i Joel Spolsky, mpiara-manorina ny Stack Overflow. Izany no zavatra tsapan’ity olona misehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ity.Isanandro isanandro, tokony hihevitra izao hanatsaràna ny vokatra ao amin’ny fandraharahantsika isika tsirairay avy. Saingy mialohan’izany dia tokony ahay hihaino ireo kiana sy fanamarihana rehetra avy amin’ny hafa satria dingana iray hampivoatra anao izany. Mifalia ny amin’ny fisian’ireny olona tsy mety afa-po amin’ny vokatrao ireny mihitsy. Raha izay ary, mety tena hampandroso sy hampahomby tanteraka ve ireo kiana rehetra azo avy amin’ireo mpanjifa na mpanaraka rehetra ireo ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire