Alasora : Betsaka ny mpandraharaha mikasika ny lanonana
Manana safidy betsaka mihitsy isika rehefa hikarakara lanonana ao Alasora noho ny fisian’ireo trano fandraisan-danonana maro be. Maro tokoa mantsy no misehatra amin’ny fandraharahana manodidina ny lanonana ka ao ireo manangana « espace », ao ireo mikarakara sakafo, ao ireo mampadihy sy mihira ary ny maro hafa.
Niainga tamin’ny fahaiza-manaony avokoa izy ireny vao tonga tahaka izao toerana izao. « Efa talenta sy fahaizana mihitsy ilay nahandro sakafo tao an-trano hany ka lasa fidiram-bola mihitsy izy ankehitriny, mandeha foana isaky ny misy lanonana izao mikarakara sakafo » hoy i Vero, mpikarakara sakafo monina ao Alasora. « Maro azo hisafidianana ny toerana hanaovana lanonana aty amin’ny faritra Alasora satria sady toerana milamina ka afaka manao fety am-pilaminana ny olona indrindra rehefa mariazy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Alasora. « Niainga tamin’ny toeram-pisakafoana tsotra ireny aho tany am-boalohany ary niezaka teny foana nampitombo ny sehatra ka izao lasa toeram-pisakafoana isan’ny lehibe eto Alasora izao, afaka mandray lanonana isan-karazany ihany koa izahay ato » hoy i Jerry, mpandraharaha an-danonana ao Alasora.
Ny kely tokoa no lasa lehibe raha ao ny finiavana sy ny fikirizana ary ny fihezahana. Mila fantarina ny manavanana ny tena mba hahafahana mamadiak izany ho azo hampidiram-bola. Saingy mila tadidiana foana fa betsaka ireo mpifaninana ka aleo miezaka manao ny tsara hatrany hatrany.
Nicole Rafalimananjara
